Mifona re (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mifona re, mba iantrao,

Ary aza ilaozanao

Mifona re mba mamélà

Aza arianao re izaho



Ekeko hoe hambo diso toerana

sy ota sarotra itserana

fa mba miangavy, an-tanan-droa

aza dia mba mafy fo



fa toky re no omeko anao

tsy hanin-droa intsony izao

hadisoana mahatezitra

sy kitakita ratsy fihevitra



fa lalan-diso ka hovaina

ny teny sisa ho entin-tsaina

ka aoka izay ilay solam-bava

fa manimba sy mandrava



raiso re ity fo mivalo

fa aza asolo na atakalo

ekeo re ity fitarainako

tsy te ho banga anao ny fiainako



Ho setrin'ny hiran'i Bodo hoe "Ifonako"
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
2422 2
Commentaires
kiriah ( 16/10/2011 00:54)
tsisy finonana e!
kiriah ( 16/10/2011 00:55)
lol!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0357