Misaotra Andriamanitra (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo badabadabanao sarotra adika
Ireo feom-bitakao, faly ka mikiaka
Ireo kakakakanao, rehefa milalao
Ireo hehy madinika, rehefa atatao

ireo antso an-kafetsena mody mitomany
mamitaka an’I neny, ka mahatonga azy ho tamy
Ireo tolokoloko rehefa te hotrotroina
Ireto tsiky feno sitraka rehefa am-pofoina

Ireo rehetra ireo, sy ny ambin-tsy voateny
Dia mampifaly fo, an’I dada sy neny
Ka ny teny ambarany, am-peo faly sy salanitra
Misaotra anao ry Ray, misaotra Andriamanitra
--------
Lien:
1093 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0341