Niandry faty (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ho setrin'ny tononkalon'i kiriah hoe Gaga aho Ilay faty izay nandrasany ? ambarako aminao
Tsy tena faty akory, fa faty kilalao
Faty noforonina hivoahana ny trano,
Razana tsy misy , fa arira sy angano
Fa ny tena marina, izay no lainga masiny
Entiny hanamarina, ilay kabary ts’isy sasiny
Fa izy te hivoaka, hanitanita-dia,
Fa nihanatsatso taminy ilay tsiron’ny fitia
Tsy lany tsiro akory, fa ny sirany no tsy ampy,
Ka izay no hevi-petsiny, any an-kafa hoe manampy
Dia lasa kely izy, nidila naka saina
Fa hiverina eo izy , rehefa maraindraina
--------
Lien:
Catégorie :
sitraka sy setriny
Commentaires
Mitantsotia
(
05/04/2013 11:56)
Aza mba sendran'izany ihany 😞