Notrombainao (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Notrombainao ilay fanahiko, ka niaingaainga foanaNamboramboraka voambolana, nofihinim-bava moana
Notrombainao ilay foko tia, ka nidobodobo-dava
Nitempotempo fitiavana, tsy voafehin-kombom-bava
Notrombainao ny rantsam-batako, ka nitsamboamboa-pihetsika
Nibitabitaka fitia, falifaly, tretritretrika
Notrombainao ny tao anatiko, ka nibaradaka fitia
Niredondredon-kirahira, ka velon-kalo sy nandihy
Notrombainao ilay vetsoko iny, ka nanoratsora-teny
Namelamela rangotr’hafatra, ka tononkalo no nomeny
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy