Ny rongoniko (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny rongoniko, ny toakako, ny jangako, ny lokako
nanontanianareo , ka indro re avoakako
raha toa saro-takarina, aleo re ho ahy irery
fa izay no mba tontoloko, raha mankany ianao dia very



ilay vovo-toto-potsin'ny alin-tsy nandriana
ilay boza-dafika kidoro, izay tsy natoriana
ilay tsindrona fanala, takim-bolin-tongotra
ilay sinton-tsento lasa, notrohina sao miongotra

izay no rongony fohako

ilay loha-maherin'ny vinany mitete
ilay botsiaka fotsin'ny ainga izay mandeha
ilay fàna tera-po, misonga dibo-doboka
ilay akom-berim-peon'ny ambiroa migoboka

izay no toaka inomako

ilay endri-kanton'ny hatsarana izay foronina
ilay sarim-boatram-bika, an-tsaina izay antonina
ilay fofona nanaitra, ny hanimbolo ho rendrika
ilay tsiky-jery raitra natambatra, narendrika,

izay no jangajangako

ilay tambin-tenin-dravaka, handrojoana tsofoka
ilay tovantovan-tovona, antsefa-mitsorofoka
ilay foron-tohin-teny, tsy taka-tsandam-bidy
ilay verindroam-pananterana, mampiady ireo safidy

izay no lokalokako



ka tsy haiko loatra re, raha toa ka nahavaly
ilay fanontaniana, napetrakao omaly
f'izay no azoko ambara, izay koa moa no marina
raha sarotra fantarina, an-tohatra takarina

Raozigasy
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1456 1
Commentaires
Soarilala ( 06/03/2014 17:14)
Toa tena saro-takarina ihany ilay rongony sy toaka ary janga sy lokanao an!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0334