Ny sezanao tsy maintsy OK (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maninona moa i Raozigasy, raha milatsaka PMraha natao ny kaonty mantsy, ny azy mbola be ny « j'aime »
raha atao ny fampitaha, amin'ireo depioté
izy mety handresy an'isa, raha an-kajy eto amin'ny FB
Dia hatsangany ho minisitra, « conseiller » sy SG
ireo akama rehetrarehetra, mizara sy mi- « partager »
na mahay na tsy mahay, rehefa hita hoe mi « tague »
dia tsy misy hambahamba, fa tonga dia atao DIRCAB
Zarainy ny ministera, ary ampitomboiny isa
foroniny ireo asa ts'isy, s'ireo toerana tsy voavisa
isaky ny « region », apetrany koa ny « antenne »
mba hahafahany mihaino ireo vahoaka izay mpimenona
Ataony matotra ny resaka, alaminy ny fizarana
samy manao izay « vous voulez » , tsy misy resaka lalàna
raha vao akama tsy miketrika, na tsy mampiasa ny « coco »
dia tonga dia odiany fanina, sao mitady hanao « zorro »
Dia ireto ary ny ministera, voasoratry ny vakiraoka
ampiarahana ao daholo, ary atao indray mandroaka
na minisitra io na koa staff, tonga dia kitrano an-trano
amin'izay ts'isy SAV, amin'ny CI ka ho angano
Atao minisitry ny serasera, ireo mpandoto rindrina am « pub »
ao amin'ny filazam-baovao, ireo mpizara ny « youtube »
omena ny raharaham-bahiny, ireo TOA tsy miteny gasy
minisitry ny fitsarana, ireo vava maro basibasy
Minisitry ny vehivavy, ireo belamaody sy ny tariny
minisitry ny fihamboana, ireo « photoshop » be amboariny
minisitry ny varo-boba, ireo mpivarotra fripy
minisitry ny zava-kanto, ireo mpitsinjaka an-tsilipy
Ministry ny hatanorana, ireo mpaka tahaka vazaha
ministry ny fampianarana, ireo « SMS kwely f ts kwa »
ministry ny zahan-tany, ireo anti-mola be fikoty
minisitry ny kolo-tsaina ireo jejojejo sy tsy maoty
Minisitry ny toe-karena, ireo mpampindram-bola marobe
minisitry ny fivavahana, ireo mpitondra teny mandehandeha
ministry ny ala-voly, ireo mpilalao « candy crush »
minisitry ny ati-tany, ireo menatra fa « malgache »
Ireo aloha no voatanisa, ekena hoe « brouillon »
fa mbola hitombo an-dalana eny, rehefa tonga ireo « don »
avy amin'ny mpanambola, sy mpamatsy iraisam-pirenena
fa mandefasa aloha CV, na « copier coller » aza ange ekena
Raha toa ianao ka mahatsapa, fa mahafeno ny fepetra,
na koa mila tranobe sy 4x4 etsetra
dia aza misalasala, mandefasa MP
dia ny anjarako aza adino, ny sezanao tsy maintsy OK
Raozigasy
--------
Lien:
Catégorie :
Politika - Aingam-panahy
Commentaires
Vony501
(
27/02/2014 07:26)
Minisitry ny rano, ireo mpidoroka, mpisotro toaka tsy miala
minisitry ny ala, ireo mpidaina,mpihanika sy mpanjamala
minisitry ny sakafo, ireo be kibo an-tsena teda an-kanina
minisitry ny gidragidra, ireo mpamono vady tsy milamina
minisitry ny ala, ireo mpidaina,mpihanika sy mpanjamala
minisitry ny sakafo, ireo be kibo an-tsena teda an-kanina
minisitry ny gidragidra, ireo mpamono vady tsy milamina
Vony501
(
27/02/2014 07:40)
Ataovy SG farafaharatsiny ny tenanay
Mba afaka manao "intérim" indraindray
Na "membre" ao amin'ny "cabinet"
"Chargé de mission, na "conseiller"
Ilay toeran'ny Minisitra toa mbola tsy ho zaka
Sady "chaise ejectable", mora voadaka
Mora voasaringotra amin'ny resaka maloto
Halatra, kolikoly, aferan-jiolahim-boto
Mba afaka manao "intérim" indraindray
Na "membre" ao amin'ny "cabinet"
"Chargé de mission, na "conseiller"
Ilay toeran'ny Minisitra toa mbola tsy ho zaka
Sady "chaise ejectable", mora voadaka
Mora voasaringotra amin'ny resaka maloto
Halatra, kolikoly, aferan-jiolahim-boto
raozigasy
(
02/03/2014 00:21)
Vony 501 :
Ministry ny rano, ny toaka gasy abaranahina
Minisitry ny ala, ny djamala halalahana
Minisitry ny kibo, aripaka izay mahavoky
Minisitry ny gidragidra, torahana ireo boloky
Ministry ny rano, ny toaka gasy abaranahina
Minisitry ny ala, ny djamala halalahana
Minisitry ny kibo, aripaka izay mahavoky
Minisitry ny gidragidra, torahana ireo boloky