Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ny soratrao no taratra (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Skual manao hoe "Ny soratra mpanoratra" Ny soratrao no taratra,
manao tamberin-jery
Mamboraka ireo hafatra,
nafeninao irery
ny soratrao no ako
miverina mihoraka
milaza an-damako
ireo gejanao hiboraka
ny soratrao tadio
miriotra manamafy
ireo tsimoky ny anio
tambin’ny nafafy
ny soratrao no nofy
herim-paniriana
manamaivan-drofy
ireo olana tsy tiana
ny soratrao no soratra
mametraka tantara
mandrakitra an’holatra
sary hoan’ny ao afara
--------
Lien:
Catégorie :
sitraka sy setriny - Aingam-panahy
