Ny zo sy ny satan’ialahy aza amidy (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafatra kely tsotsotra ry akama Zaraiko ihany sao dia mahasoa ny tanàna
Hifidy hono mantsy ato ho ato ry zama
K’izaho hiteny teny, sao dia mba mahasalama
Ireo vola noraisina fa nozaraina
Raiso foana aloha fa tena ilaina
Hamelomana ankohonana, sy tokantrano
Iny no misy ka raiso sy hano
Ireo akanjo nomena, hiovan’ny loko
Jolohy ihany aloha, fa volan’antoko
Nafafy kitrana, tokony hanaovan-draha
Tafio daholo, aza miraharaha
Ireo fampirevena, fakana ambiance
Araho foana aloha, ny onja, ny dance
Tsy isan’andro akory ialahy no afaka ho any
Fety gratos, aiza no hisy an’izany
Ireo kandra madinika mametaka afisy
Ataovy ihany aloha, sitrany ahay mba misy
Chiffre kely, hividianana laoka
Hilaofana kely ilay sosoa an-kapoaka
Izany rehetra izany anefa mandalo ihany
Propagandy toy izany anarany izany
Fa rehefa hifidy ialahy tadidio
Izay hahasoa rahampitso fidio
Tsy misy olon-kafa , fa ialahy samirery
Andriamanitra angaha, no hangala-pijery
Ny vaton’ialahy, sy ny miafina am-po
Fidio izay madio, sy izay mahasoa
Ireo vola natorany, problem-ny izany
Raha izay pression, hitsaho amin’ny tany
Fidio Izay hitan’ialahy fa hamonjy
Ny taranak’ialahy efa mila vonjy
Ialahy dia ialahy, ialahy irery ihany
No masi-mandidy, amin’izay atao any
Fidio izay mahitsy, hahatsara ny ampitso
F’efa ampy izay ilay lava-mangitso
Izay leitsy ny hafatro, dia mandehana mifidy
Efao ny andraikitra, vitao ny adidy
Ny zo sy ny satan’ialahy aza amidy
Ny vato arotsaka ialahy no mandidy
--------
Lien: