Okay (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noho ianareo aniodia ampiasaiko ny voanio
fa tena faly aho tretrika
f'isika izany hiketrika
Noho ianareo androany
dia masahiko izany
ireo vary mangatsiaka
ka ampiasaiko « fika »
Noho ianareo tsy nilefa
nandray izay traik'efa
dia iny aho fa ranga
hameno indray ny banga
Noho ianareo natoky
f'izaho ka tsy boloky
fa miasa mba milay
dia hoy aho hoe « okay »
Raozigasy
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy