Ombin'ny arivolahy (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malagasy ianao izao vao Kristiana
ka ireo ombin'Iarivo, aleo kely eo hijanona
sa tianao mihitsy soloina vokovoko
dia ny tokontaniny, ovaina fotsy loko ?

Malagasy ianao, izay vao Kristiana
ilay resaka Finoana, aleo aloha hilamina
ianao ange Filoha, napetraka ho Laika
ary ny toeranao, seza Politika

Malagasy ianao, izay vao Kristiana
ny sonian'ny tantara, aza salovanina
izay laharam-pahamehana, ireny aloha jerena
ny atambom-pahalemana, andramo mba resena

Malagasy ianao, izay vao Kristiana
izaho raha miteny, tsy hoe dia mila vanona
raha diso moa ny hevitro, avereno ho ahy
f'aleo hipetraka eo, ny ombin'ny arivolahy

Raozigasy
--------
Lien:
Catégorie : Politika
994 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0312