RAFAHAMARINANA (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny marina hono dia tsy mba maty
Misy tsy fambara fa hoe sao tsy tanty
Ny marina koa dia saro-tadiavina
Ary raha fantatra aza mora lavina

Fa Rafahamarinana kosa tsy laitra
Mora fantatra izy, ary mody tsy taitra
Tsy voaozongozon-dRamarivo tototra
Raha miaraka aminy, tsy taitra tsy rototra

Rafahamarinana tsy tia sehoseho
Na mieboebo hoe ity aho zareo
Fa izy mipetraka milamindamina
Tsotra fiaina tsy tia haminkamina

Rafahamarinana, mahitsy, madio
Ka halaviriny izay mikilio
Raha sendra ny lesoka vonon-kanitsy
Sahy izy na dia hoe be noho ny vitsy

Rafahamarinana, no faka namana
Tsy ho very ianao fa izy tantanana
Fa izy manampy amin’ny adi-sarotra
Tsy mila tamby na koa adi-varotra

Rafahamarinana, izao no marina
Izy nilaza: i Hendry ihany no anarina
Rafahamarinana, sady zandry no zoky
Izao no marina : izy Andry sy Toky
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
692 1
Fans: fahamarinana
Commentaires
fahamarinana ( 03/05/2009 11:22)
eka ouz !! ekeko zato isan-jato ! Misaotra foana e !
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0537