Raha tianao tokoa … (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tianao tokoa ary ilay firenena
Ny hoavin’ny ankizy, rahampitso jerena
Aza sodokan’ny dokam-barotra
Fa mahaiza mikajy izay ho avy maharitra

Raha tianao tokoa ary ilay gasikara
Dia anjaranao ny manova tantara
Aza voarebin’ny ronono an-tavy
Fa jereo tsara ny adisanin’ny hoavy

Raha tianao tokoa ary ilay fiovana
Ka tsy fahantrana intsony no tian-kolovana
Aza voavidin’ny vola indray andro
Fa fidio izay hampihiratra ilay masoandro

Raha tianao tokoa ary ilay ampitso mangirana
Soloy amin’izay ilay omaly makirana
Mandiniha tsara, dia mahaiza mifidy
Raiso ny andraikitra, efao ny adidy
--------
Lien:
945 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0323