Razoky sy Ratsin (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io ilay Razoky, miteny mi”style”,
Feno eboebo, tsy mety lany “pile”
Ny fizahozahoana bobaka, ny « je suis » mipoapoaka ,
Rain’ny hambo avokoa, izay resaka avoaka

Dia io koa Ratsin, revo sy mihaino ,
Mitsiky mamporisika, teneno dia teneno
Maka am-bisavisa, ho nofy an-tendron-kazo ,
Ireto balaoasy, rahampitso dia halazo

Dia nifanojo angaha, ny tia sy ny manina ,
Ka indreny nifanjohy, mikisaka milamina

Ratsin indray niresaka, somary mba nidingina,
Ny fihetsika amin’izany, mody hoe mitsingina
Dia revo koa Razoky, faly hoe hahazaka,
Ka tsy nihevitra hahalala, na koa namakafaka

Ny aingitra amin’io, mahery dia mahery,
Miainga ambony ambany, ny traka sy ny jery
Fa Razoky koa natoky, izato vidin’ny valerany,
Satria naharesy lahatra ilay poerapoerany

Dia nifanome fotoana, nifanome finday,
Ny fihaonana manaraka, asabotsy indray

Ratsin avy eo nidify, nakopany ny volony,
Nasiany mena fify indray izato molony
Najadony ny diany, Najejony ny andilany,
Nitodi-doha kely, ny masony nopi-any

Razoky amin’io , manao tsara jery,
Manaraka an-dola, ilay bika nandeha irery
Somary nisafo sirana, dia nanao adisanina,
Tsy maintsy tafa iny, raha milay ny planina

Dia avy eo samy nody, tany an-tranony avy,
Hanainga nofinofy, sy sentimaka matavy

Ratsin tao an-trano, nitantara nitantara,
Ilay bandy aloha akia, toa mbo tsaratsara
Ny katany mba henjana, ny fiarany masiaka,
Raha toa ka poins iny, tonga dia tafita

Razoky koa tan-trano, nitohy ny dedadedaka,
Sabotsy leitsy iny, tonga dia voapetaka
Izy somary jila, sur be fa poins,
Sady tonga dia reveko, ilay izy mincemince

Ratsin amin’io, anoloan’ny fitaratra,
Misafo izato ranjo, mandin-tsara aratra

Dia miresaka miresaka, amin’ity namana,
Tena mety akia, ilay akanjo hifampindramana
Raha tsy izany tsy mba tafa, sy manaitaitra,
Ampiko le style, mody miangola vaitra

Rehefa mihaona izahay, dia angatahiko cadeau ,
Charmeko kely, dia omeko tolaka dodo
Fa tonga hitako eto, iny dia hipotsaka,
Ny saosy any am-paosiny, tonga dia mirotsaka

Razoky amin’io, nanokatra labiera,
“izaho leitsy hoa milay, fa dony aloha ny vera”

Misaotra leisy aloha, tamin’ilay vam,
Fa raha tsy nisy an’iny, tsy nety ilay planina
Le « blouson cuir », aleo aloha tsy averiko,
Rehefa vita ny mission, izay leitsy vao ateriko

Dia mbo ampindramo vola, aloha hampirevena,
Omeko ny an’ialahy, raha vo mahalafo taovan-kena
Ny sipa tahak’ireny , efa hain’ialahy,
Fa omena drala kely, dia tonga dia « ca va »



Tonga ny asabotsy, indreo fa nihaona,
“Manao ahoana akia, miakara eto anoloana “

Ity misy “cadeau” kely, mba vokatry ny fo ,
Fa mba omeo mamikely, sy mba omeo bisou
Dia lasa izany izao, hampiaraka milamina ,
Andao hanararaotra fa ny tany indramina

Dia lasa samy poinsa, nandeha naka sisiny ,
Tonga dia vao niainga dia hita ny fikisiny
Tsy nisy kozy bobaka, fa tonga dia nisosa,
Revy samy sahy, tsy nisy iray kanosa

….

Ny tohiny tsy haiko, izaho tsinona tsy tany,
Fa samia isika, hoe mba maminany
Hateza ve ny tohiny, sa endrika ivelany ?
Sa fiainana mandalo, adinoina ny fiserany ?
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1065 0
Commentaires
DotMG ( 28/07/2013 00:05)
Mampalahelo satria zava-misy fa tsy noforonin'ny mpanoratra.
hery ( 28/07/2013 09:31)
Samy be calcul de samy voa e
vony501 ( 30/07/2013 09:15)
Ny tohiny?

Ilay Razoky tena nentanin-kafaliana,
Ny solika anefa somary mba tsitsiana,
Dia nanoso-kevitra ny tsy hiala lavitra
Fa eto akaiky no hijery trasy mahafinaritra

Ratsin kosa anefa mba te hibalady,
Miraoziraozy kely mialoha izay mety ho ady
DIa nanoso_kevitra ny ho eny @ By Pass
Mihinana pizza, mileleka glace

Razoky tsy nahateny fa nangenahena
Ny témoin'ny solika efa manopy mena
Manao kajy an-kandrina sy adisanina
Ohatrinona ary izao ny ho vidin'izay hohanina

Ratsin ato anefa tena miborosy,
Miangotingoty sady mitositosy
Ny tanany ankavia efa mitetitety
Voasafony avoka hatr@ braguette

Tsemboka Razoky, ny saina tsy nilamina
Tsy ampy tsy lany ilay sôsy mba nindramina
Raha anampiana solika, tsy misy horevena
Ratsin anefa ity toa mitady tambin-kena

Inona tokoa, fa anaty fitohanana teo Ambanidia
Namono tena ilay fiara, nifarana ny dia
raozigasy ( 10/08/2013 21:41)
Misaotra ny rehetra eee
Maniry ny hifandray amin'i vony501 azo atao ve ?
azonao atao ny manoratra amin'ny raozigasy@gmail.com
vony501 ( 22/08/2013 07:34)
Salama raozigasy!
Ny tenako tena tsy mpanoratra, saingy isaky ny mamaky ny asa-soratry raozigasy aho dia sahala amin'ny mahita aingam-panahy izany koa. Asa inona no dikany?
raozigasy ( 22/08/2013 09:52)
Salama Vony
Sao dia afaka manoratra amiko amin'io adresse mail io ambony io ianao azafady ee
misaotra ee
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0346