Rehefa maloka ny andro (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy fahiny tsy voafafa, ao am-pon'ny tsirairayMisy fery mbola ratra, manindrona indraindray
Misy hatanorana miherina,, mandindona ity taona anio
Misy ako mitamberina, miantso manao tadidio
Misy omaly te hitsangana, atsikafon'ny ambiroa
Misy tantara tarangana, mbola maniry te hifoha
Misy nofy tsy tanteraka, izay vao mahita lalana
Misy anjara tsy nekena, mibetroka te hitsivalana
Misy fitia namerovero, natambolin'ny tsiahy
Misy koa tsiambaratelo, nirongandrongatra tsy nahy
Misy noanoa tsy feno, mampanjombona mangorana
Rehefa maloka ny andro, sy milatsaka ny orana
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy