RY FIRENEKO O NAHOANA ? (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY FIRENEKO O NAHOANA ?

Ry fireneko o nahoana
Ianao no dia mijaly foana
Vaky mihitsy re ny lohako
Izato jalinao tsy tohatro

Ry fireneko o nahoana
Ny vahoakanao no noana
Sy mahantra lalandava
Ny tontolo vaky vava

Ry fireneko o nahoana
No tsy maintsy hoe ianao foana
No atao sehatra fiadiana
Sy fanaovana izay tiana

Ry fireneko o fa maninona
Ianao no atao tsinontsinona
Izato zonao dia hosena
Voazimba ianao ry firenena

Izao no anjara re sa tendry
Sa ny mpitondra anao no tsy Hendry
Ratsy vintana sa lahatra
Fa reto atambo tsy mitsahatra

Sa izao ve no sahaza
Ny ampitson’ireo zaza
kivy aho tsy haiko izay atao
fa mijaly loatra ianao
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana - Aingam-panahy
1095 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0327