Sakabeloha (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Baboko hono izy, nefa boboka ny teniny
Fa hatolony ahy daholo, tsy misy izay ho neniny
Izao tontolo izao, ny vatany, ny fony
Ny sainy sy fanahiny, tsy misy ho azy intsony

Baboko hono izy, k’izay rehetra ilaiko
na izay zavatra tadiaviko, izay zavatra lazaiko
sy ny hatako rehetra, vitainy an-kisesy
ary ataony sy ekeny, fa izy hono efa resy,

baboko hono izy, ka hafoiny izay ananany
hatramin’ny tokantranony, ny vadiny ,ny zanany
ireo rehetra nohariana, nihafiany nikimpiany
ilaozany, avelany, f’izaho no efa tiany

baboko hono izy, ka ny hatako rehetra
ireo dongidongikely, tsy misy mba voafetra
fa hotanterahany, antsakany sy andavany,
hotoaviny daholo, tsy misy mba handavany

baboko hono izy, ka izaho no ivavahany
hoderainy, handohalehany, ary hotanarahiny
ka izay rehetra faniriako, sy izay hetahetako
efainy ho ahy daholo, mba hoe hiraiketako

dia lasa saina aho niteny anakam-po,
izany ilay habobo ho an’ny maivan-doha
resaka boloky, arira sy angano
dia noho izaho ve no handaozan-tokantrano

dia izany ilay tantara, fampandriana adrisa
ny olona hafahafa, ny fo marisarisa
no azony hivarotana, kabary tora-po
fa raha izaho tsy hividy, izay sakanao beloha
--------
Lien:
989 0
Commentaires
zavotany09 ( 31/08/2010 07:39)
Mankalaza e!

f'ireo teny nolazainy, tsara rindra avokoa
nampihesona fanahy, saika raikitra am-po
tsy lainga f'efa roboka, falifaly aok'izany
fa nihevitra mihintsy, fa dia tokana aman-tany
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0336