Saotra bobaka (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia mampita saotra bobaka,
Dia biz’oroka no atobaka
Ho an’ny namana sy akama
Ny havan-davitra tanàna

Falifaly feno bitaka
Misomebika voritaka
Fa safonono-pirariana
Salanilani-pifaliana

Sitra-tsy hita tanisaina
Telina tsy hay lazaina
No omena sy aparasaka
Fo mamboraka ny masaka

Saotra mamy sesilany
no apariaka eto androany
ho anareo izay nahatsiaro
ity taona mihamaro

mankasitraka misaotra,
hoy ity fo izay faly loatra
rako-pitiavana ny gasy
misaotra re hoy Raozigasy
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1128 0
Commentaires
Zozoro ( 03/09/2011 08:58)
Misaotra anao koa e! misaotra bobaka.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0329