Satriko akia … (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satriko akia, ity valihako ity mba lalaovindriako Dia hangorintsina ny tadiny, hangovitra ny tohany, amin’ny tanandriako
Izay no firariako
Satriko akia, ity sodiko ity, mba tsotsofindriako
Dia hihovitra madinika, ny any anatiny any, amin’ny sefondriako
Ka hokafiriako
Satriko akia, ity fararako ity, mba siahandriako
Dia ny toho-bavany sy ny fihin-tanany, hisy fiainandriako
Ho eny an-tampom-pifaliako
Satriko dia satriko
Saingy ny antsika, kanto tsy sahala
Onja samihafa, tsy mahay mifandala
Ka aleoko amin’izao, izaho irery hilalao
Ireo fitaovam-pikaloiko, tsy hindramako anao
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy