SENTO MANGINA (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na ny fotoana hifanembonana
Na ny ora hifampiantsoana
Dia tena Samy niombonanana
Tena toa nifamotoana


Na ny sentonao matetika
Na ny tsiahinao mazàna
Iarahako aminao ka mbetika
Miara-tonga sy tsy tana


Na ny hasasaranao
Na ny hakiviako aty
Dia tsapa mihitsy fa injao
Mifanojo foana akia


Ilay Fitia moa tsy lazaina
Fa samy feno, samy to
Sy tena tsy azo hoe visaina
Izany hasambarantsika roa
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
988 1
Fans: raozigasy
Commentaires
Soarilala ( 07/07/2010 06:16)
Tena tsara raha mifamotoana ny fahatsiarovana ary mifanojo ilay fanembonana.
Fa tena mahatsiaro sambatra rehefa miara-tonga izany.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0324