Sinton’ny fo (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny vatako foana no mirijarija,
Ny endriko ivelany no lehilahy
Fa vao mahita anao aho dia mikijakija,
ilay oram-panahiko avy tsy nahy

Ny jeriko ivelany no mijajirika,
ny seho hita maso no mody tomady
Fa vao mitranga ianao sy hitako hirika,
dia iny aho malemy toa roraka tady

ianao foana no mody jamba
minia tsy mahita ilay izaho sakodiavatra
izaho nefa sahirana tena mihamba
ao anatiko ao misy bahan-javatra

ianao nefa haiko fa toa mody fanina
manodin-dresaka am-pahendrena
ny foko amin’iny ka may valalanina
tsy mahateny firy fa mangenahena

dia tianao ery ilay saka sy voalavo
manao hala-piery, sy sangy malefaka
ny marim-panan’ny foko vao iny mihaavo
dia tsofinao kely, hidina hifetaka

izaho ato anefa mangotika anaty,
very fanahy, tsy hay izay atao
fa mahery loatra ka mila tsy tanty
ilay sinton’ny fo ho any aminao
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
859 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.033