Sitraka enti-matory (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sitraka enti-matory, hovaliana raha mahatsiaro
Saotra tsy lany hamamiana, sy telina no atambatra ho laro
Atao fehezam-pisaorana, sy amboaram-pankasitrahana
Ho anareo tonga nanome voninahitra, ilay hetsika sy seho niarahana

Tsy omena tsiny koa anefa , ireo namana naniry ny ho avy
Ny fotoam-bita iaraha-mahalala, tsy manakana ny raha mampanavy
Ny risika sy fahazotoana, ny fo efa niara nizara
No nataonay tsara jery, sy fahatsiarovana tsara

Ireo namana lavitra toerana, tsy afa-namonjy ilay seho natao
Hozaraina anareo an-drohy, ny hetsika rehetra tao
Santatra ihany iny moa, ny manetsabe mbola ho avy
Ny korana mbola hitohy, tsy adinoina ianareo mianakavy

Fisaorana ho an’ireo namana tonga nanatrika ny seho niarahan’
i Lalao Rabeson sy Raozigasy Asabotsy faha 30 Nov 2013
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1591 1
Fans: hifaliana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0353