Tanora (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy mihevitra azy ho izy
Efa tsy naman’ny ankizy
Fa efa niova sata hafa
...Ka niova hatramin’ny fitafa

Izy mandinika fitaratra
Vao hivoaka dia miharatra
Manarak’andro ny fitafy
Ny fofo-manitra tsy mihafy

Izy sahisahy raha
Mampiasa tenin’ny vazaha
Rehefa te hatao hoe tezitra
Na koa hoe disoin-kevitra

Izy manapanapa-tsandry
Tsy tia misaina na miandry
Indraindray aza bontolo
Rehefa hoe mamono lolo

Izay ilay lalana lalovany
Tsy voarefiny ny fiovany
Aleo hiaina fa tanora
Ka ny onja no araho moramora
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1020 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.033