tantarany (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TantaranyNantsoiny aho tamin’izay
Hoe misy resaka iray
Tiany hozaraina indray
Dia hoy izy tamiko
tiako ange sy mamiko
Ilay fitiavana nindramiko
Fa ny anay ka hafa
Na ny safo na ny tafa
Fitia tsy mampijafa
Fa ny anay ka tiako
Fa izay rehetra iriako
Tonga dia takiako
Fa ny anay fitia
Na halatra aza fy
Tena mamy ery
Fa ny anay ka zara
Tsy mba maramara
Hatrany am-parafara
Fa ny anay miavaka
Na dia tsy mifandravaka
Fa miafina an-davaka
Fa ny anay tontolo
Tena tsara kolo
Tsy misy izay bontolo
Fa ny anay voarara
Tsy azo ambarambara
Na dia tena tsara
Izaho mihaino ny tantarany
Ireo loatram-po fizarany
Tsy haiko izay fiafarany
Dia nangina kely
Nisento ilay anjely
Tsy nitraka toa voavely
Dia izay ilay noravaiko
Dia izay ilay nosimbaiko
Ka simba be ny saiko
Satria izy irery
Tsy nisy teritery
Malalaka fijery
Satria izy tokana
Dia tena nanompana
Ny fony ho ahy manokana
Kanefa izy tia
Naniry mafy ery
Ny hoe ho doria
Fa izaho no tsy naniry-
Hoe ilay fitia nitsiry
Hiaina anaty kiry
Ka ny hevitra mba hitako
Ny hafatra nampitako
Dia ilay fisintako
Sy fanolorana azy
Na dia am-bazivazy
Hafa ho mariazy
Dia nakombony ny vavany
Nitanondrika ny tavany
Maina ny fitazany
Izaho mihaino ny tantarany
No hany namaharany
F’izay hono no anjarany
…
Dia nihaona indray izahay
Dia hoy tamin’izay
Mbola ao ilay vay
Mbola ao ilay ratra
Fery diso fatra
Manindrona ny tratra
Mbola tsy mihidy
Na dia mangidihidy
Ilay foko voadidy
Mbola tsy voatsabo
Ilay fitia voababo
Ilay saina te hiabo
Mbola misy lavaka
Kely nefa miavaka
Mbola tsy voaravaka
Mbola misy fery
Mampiteny irery
Maha-te hiery
Mbola misy loaka
Tsy saron’ny safoaka
Maha-te hitsoaka
Mbola misy tsongo
Mahatonga maso bongo
Rehefa mivangongo
Izaho mibanjina azy
Manefa izato sazy
Mbola ho ela vao hivazy
Kanjo indro fa nidify
Ilay endrika niampify
Nitsiky ireto nify
Dia feo nahery setra
Nanaiky izato fetra
No nanarona ireo tsetra
Dia niteny koa ny fony
Hoe aleo fa hosoloiny
Izay fitia tsy hamony
Dia avy eo dia nihomehy
Kely indray mandeha
Vao tokelaka lehibe
Dia nijery ny tontolo
Dia namboatra volo
Dia nametaka ireo kolo
Dia nikakakaka
Hoe saika tsy nahazaka
Ilay zavatra namaka
Dia velom-bolo indray
Ilay namako izay
Efa saika fay
Dia nisaotra ahy nihaino
Ilay tantara feno
Nataony “aleveno”
Dia nidina ilay fiara
Nitsikitsiky tsara
Izany ka tantara …
Dia izaho ilay nihaino teo
Nahita azy an-tseho
Nanoratra avy eo
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
raozigasy
Commentaires
Mitantsotia
(
04/04/2013 09:32)
Henjana ianao e! Mba rahoviana no avoakanao boky na raki-peo? miandry fatratra fa izao aloha dia mankafy anao eto mandra-pa..! Misaotra
raozigasy
(
05/04/2013 21:23)
Efa misy boky iray any Mitantsotia a