Taratasy ihany (raozigasy)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
na hivadika hatanjaka ny teknolojia, handroso ny hai-tao
izao ry poeta, no teny sy mba hafatra zaraiko aminao
an-taratasy ihany, tehirizina ny teny sy ny sora-tanana
fa iny no mandafo, ny hasarobidin'ilay ainga tsy notanana

na ho varatra sy henjana, ny fitaovam-pitahiry, hanaraka lamaody
iny fitaovana iny, hiova isan-taona, ka tsy maintsy maody
an-taratasy ihany, tehirizina ny soratra, sy ny rango-penina
ambony ampanga iny, amin'ny fitadidy, sy ny zavatra tenenina

satria ilay taratasy, nitaty dinitr'ainga, fony ilay niranga
ny vinany diso fantsika, ka nampiarinarina ny vetso ho mangamanga
satria ilay taratasy, nadio nanaiky hizara, ny embonao adala
ireo ranomaso latsaka, ireo vinitry ny fo, ireo sento izay niala

ka na ho tonta aza, na ho rovi-tsisiny, na hiforiporitra
ny boika izay avoakany, rehefa any aoriana, hitanao hisoritra
hamohafoha indray, ilay ainganao nandalo, nitady fanaperana
hisentoanao indray, ilay fotoana mamy, nandalo dia niserana

Raozigasy
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
989 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0339