Te hanoratra (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Te hanoratra aho androany, fa tsy niainga ny fanahyTe handefa teny ho anao, te hampita koa tsiahy
Te hanoratra anio, te hanoratsora-potsiny
Te hitantara arira, hameno tory ny alim-potsiny
Te hanoratra aho androany, te hanoratsora-teny
Te handrafitra amboara,toy ilay famakintsika ireny
Te hanoratra androany, te hampiady rima kely
Te hanoratsora-poana, tsy misy tanjom-belively
Te hanoratra androany, ka notendreko irony tondro
Te hanakambana ho teny, ireo tsindrin’ny fanondro
Te hanoratra aho androany, ka nofenoiko rimarima
Ity pejy fotsy ity, amin’izay ianao mba liana
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Commentaires
Soarilala
(
18/09/2010 11:38)
Tena mahaliana loatra ny hamaky azy na dia soratsoratra fontsiny ihany aza.
Tohizo ary dia alefaso ilay hafatra hampitaina!
Tohizo ary dia alefaso ilay hafatra hampitaina!