Teniteny (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa mba hainao ry Iarivo, ity tantaram-piainanao
sa mahavairiana anao ny haingo , rendrarendra, rehareha
moa mba fantatrao va re , hoe avy aiza moa ianao
no tsy mandinika ny lasa, na mijery izay aleha ?

Mahalala ve ianao, ry tandrenivohitra io
f'efa nisy fiainana hafa, izay tsy fantatrao kanefa
hendry loatra noho ianao, hafa mihitsy ankehitrio
lovan-tsofina hoy ianao, sady lasa ianao nilefa . . .

Mba naheno ve ianao ry Mivoatra, ry Mandroso
ny fiavian'ny razanao , sa ianao no tsy mba liana
hahalala ny takalo, ny sikajy sy ny loso
ny mpivahiny, ny vazimba, ny tantaran'ny andriana ?

Asa izay havalinao, na ho eny na ho tsia
miezaha hahalala ny loharano sy tantara
torohevitra ny ahy, mamantara mandiniha
ny fahalalanao ny taloha, no hahatsara ny ao afara

Izany akory tsy midika hoe miverena misalaka
atsipy ihany ny ahy ny teny, ka eo ianao mamisavisa
fantaro ihany ny fahiny, ahafahanao mamakafaka
nataoko adidy ny miteny fa dia anjaranao ny sisa

Tana 26/05/2002
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy - fananarana
2188 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0256