Tiako akia … (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako akia ny alotsika ao anatin'ny somambyfa manaitaitra zava-maro, mampiita-tambitamby
Tiako akia ny jerinao, feno lefaka fitia,
fa hahatsinjovako sahady, ilay feoko miantso avia
Tiako akia ilay tsapatsapa, ato anaty maizim-bolana,
fa mampandevy ny ao anaty, ka ny lohaliko mangorana
Tiako akia ilay safosafo, tsy fanta-piainga sy fiafara
fa mampitady tohiny hafa, mamimamy, tsaratsara
Tiako akia ilay toka-monina, sy halatralatra fotoana
fa mamelona habibiana, ho kaikitry ny mamba noana
Tiako akia ilay isika roa, mitovy fy anaty saina
fa efa tazako sahady, ilay tsy misy miala maina
Raozigasy
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana
Fans:
Soarilala
Commentaires
Soarilala
(
21/11/2016 22:52)
Tiako akia ilay fiarahana, izay fanaontsika roa
Fa mamelombelon'aina, mampifalifaly fo
Tiako akia ilay fitaintainana, mandra-piandry ny fotoana
Rehefa injay hifankahita, tapa-kevitra ny hihaona
Fa mamelombelon'aina, mampifalifaly fo
Tiako akia ilay fitaintainana, mandra-piandry ny fotoana
Rehefa injay hifankahita, tapa-kevitra ny hihaona