Tononkalo mpanongam-panjakana hono ... (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tononkalo mpanongam-panjakana honoNefa aza io tsy misy zavatra ankifono
Fa izay misy ihany no zarazaraina
Dia ilay fijaliana mampinainaina
Tononkalo mpanongam-panjakana hono
Nefa ny ahy tsy misy resaka honohono
Fa izay marina ihany no abariko
Ary tsy misy akory resaka itariko
Tononkalo mpanongam-panjakana hono
Ny ahy anefa tsy mba basy ka hamono
Fa raha ny filazako azy no tsy zaka
Dia mialà fa ny ahy teny fa tsy daka
Tononkalo mpanongam-panjakana hono
Nefa efa sotroina an-tavy ilay ronono
Dia mbola izaho indray no mbola diso be
Hoe mihaino resadresaka mandeha
Tononkalo mpanongam-panjakana ve ?
Rehefa tsy hamaky fotsiny dia andeha mandeha
Fa aza asiana resadresaka kafara
Fa izay misy ihany ny ahy no ambara
Tononkalo mpanongam-panjakana ngah
Rehefa tsy mahazaka fotsiny mialà
Fa izany ny demokrasia nge ry zandry
Vava no miady eo fa tsy ny sandry
Mbola tononkalo ve ry zama dia tsy tanty
Mbola aiza ilay tody hamaly faty
Mividy loha nefa matahotra ny maso
Ny alahelom-bahoaka mbola ho avy fa andraso
--------
Lien:
Catégorie :
Politika - Aingam-panahy