Tsiky fitaka (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay tsikinao tsy ravo, nalefanao ho ahy,
Dia novaliako tsiky, tsy nisy ahiahy,
Hay ka tsikim-barotra, ilay nentinao nisaotra
Nataoko ho tena izy , fa tena tsara voatra

Ilay tsiky hatrany an-tsofina, narahin-kopa-tanana
Dia novaliako tsiky, fa hoe tsiky avy amin’ny namana
Hay tsiky mody tsiky, ilay feno mandram-pihaona
Tsy tsiky avy ao am-po, fa tsikitsiky foana

Nataoko ho tena izy, ilay tsikinao
Hay tsy avy ao anaty, fa tsiky kilalao
Nataoko ho tsikim-po, saika hampiaka-bitaka
Hay ka tsiky maina, tsikitsiky fitaka

K’izao ny hafatra sakaiza, tandremo ihany lahy,
Ireo tsiky be fanolotra, tsy miahotra sy sahy
Ireo tsiky atobatobaka, toa tsy mety lany,
Ireo tsiky be fizara, omena fahatany
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
909 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.035