TSIKY KAY DIA AMPY (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitsiky indray ny androkoIzay ilay efa tsy andriko
Hoe hotantaraina
Ary koa zaraina
Nitsiky indray ny foko
Izay ilay hanoloako
Ireo alahelo maro
Sy ola-nifangaro
Nitsiky indray ny masoko
Adinoko ny ankasoko
Mazava izay banjiniko
Mena ny raozy fihiniko
Nitsiky indray ny molotro
Ka ireo teny natolotro
Dia feno fifaliana
Sy sangim-pitsikiana
Nitsiky indray ny tsikiko
Nisava ilay tokikiko
Feno ilay hasambarana
Irina tsy hifarana
Nitsiky indray ny endriko
Dify ilay fendrofendroko
Tan-tsiky aho no niantsampy
Hay tsiky kay dia ampy
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Commentaires
Soarilala
(
28/04/2010 13:41)
Ny olana misy foana fa raisina am-pitsikiana e! Sa tsy izany?