TSY DITRA FA FITIA TSY TE HIPITRA (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny antsika hono ditra, fa fitiavana angalarinaFitia mihoa-pefy, fitia hita fa tsy marina
Fitia tsy mazava fototra, sy feno zimbazimba,
Fitia sadasada, mpandrava sy mpanimba
Isika hono adala, fa tsy mahay manaja olona
Isika hoe tsy vanona, mpamita-janak’olona
Isika hono diso, fa tsy mahay mipetraka
Fa milalao afo sady mpihetraketraka
Dia izaho nihomehy anaty, raha naheno izany,
Rahoviana vao hangina, ny vavan’ny eto an-tany
Tsy hainy mantsy fa, ny antsika anie tsy ditra
Fa fitiavan-diso anjara, tsy te hipitrapitra
Dia ianao koa haiko any, fa hisafoaka kely
Hoe ireo miteny ireo, angaha misy iray anjely
Izay ataony tsy hitany, ka ny fiainako no kianiny
Aloe ny hafa hanao, izay tiany sy mba maminy
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
scotlandyard