Tsy izay no tanjona (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe te handraraka ivy na koa mitady « waouh »
tsy hoe mba te halaza na hoe hizahozaho
tsy hoe mitady « j'aime » , na koa miandry « lol »
tsy hoe te hametra-kenda, sy hampiakatra ny « col »

tsy hoe fitia te hanakiana, na fitiavana hitsikera
tsy hoe nifoka miafina, na nisotro maro am-bera
tsy hoe te hanenji-drima, sy hanabe takelaka
tsy hoe te hiavaka, ka hoe mipelapelaka

tsy hoe te ho ivo, itangoronan'ny tontolo
tsy hoe te hiseho milay, ka hanao bontolotolo
tsy hoe te ho faka tahaka, na hoe eny am-para-tampony
tsy hoe lafatra malama, tsy ilaina ilay fivankony



Tsy ireo no tanjona, fa tsotra sy madio
hizarazara kanto, hitondra tsiky anio
hanambatra am-pehezana, ireo parasaka fanahy
tsy nahatsindry lamba, ka miloatra re … tsinahy

Raozigasy
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
911 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0334