Tsy nahagaga ahy akory (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nahagaga ahy akory , raha korian-dranomaso,No nasetrinao ireo lasa, s’ireo nindaosin’ny ankaso
K’ilay ranomaso amorom-patana, nijoy tan-takolakao
Noho ny hanina an’I neny, sy I zoky izay nandao
Tsy nahagaga ahy velively, raha naratra ny fonao
Tsy noho izato adim-piainana, mianjady lava izao,
Fa noho ireo lasa tsy hipody, ireo dila tsy hiverina
Nobosesehin’ny tsiaro, ka ny ratram-ponao niherina
Tsy nahagaga ahy mihitsy, raha toa ianao adala saina
Satria mbola manantena, ireo dify nolalaina
Hoe mbola hiverina aminao, mbola hisy atri-tava
Ka mampandrotsaka tomany, ao anaty kombom-bava
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
raozigasy