Tsy takatry ny bala (raozigasy)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay mangan-danitra , no solon-taratasikohanoratako ho anao, ilay fitia midadasiko
ireo rahom-potsiny ; no solon-dranon-teny
hiangaviako anao,hanao ny foko hoe « ENY »
Ity habaky ny tany, tsy hita noanoa
kely raha mitaha, amin'ny fandeven'ny fo
mireda ho anao, an-joalan'ny fitia
hibaradahako hoe : « TIAKO LOATRA INDRY »
Ilay tapi-para-tazana, fefin-dranomasina
bitika madinika, tsy ampy entiko hanamasina
hanandratra an-danitra, ny hotra-pitiavako
hambara boraboraka : « TIAKO IANAO RAHAVAKO »
Izao tontolo izao, voatsinampy anie Malala
raha oharina habe amin'ity foko lasa adala
izay babonao tanteraka tsy misy salasala
ny mandam-ponao anefa … toa tsy takatry ny bala
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana