Tsy voatery (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy voatery hoe volabe, hahavidy izao tontolo izaoNo tsy maintsy voaangona, sy tsy maintsy anananao
Fa finoana tsy voavidy, tsy tambazana harena
Matotra sy tsara fehy, ka tsy taitra raha rebena
No ilaina anananao, mba hahafahanao miady
Amin’ny fanahy ratsy izay mpamarina any an-kady
Tsy voatery hoe fiadiana, raitra sy tsy hay tohaina
ka indray mi-py maso monja, dia mandripadripak’aina
Fa finoana manan-kery, vonon-kiaro ny rehetra
Tsara fototra sy faka, tsy matahotra fepetra
No ilaina anananao, mba hahafahanao miady
Amin’ny fanahy ratsy izay mpamarina any an-kady
Tsy voatery hoe angovon-kery, matanjaka sy tena varatra,
Ka ao anaty poa toa izay, dia manjavona Ankaratra
Fa finoana lehibe, feno zoto tsy matahotra
Raha sendra ady sarotra, tsy mba mihemotra na miahotra
No ilaina anananao, mba hahafahanao miady
Amin’ny fanahy ratsy izay mpamarina any an-kady
--------
Lien:
Catégorie :
Fiderana - Aingam-panahy