VAVAKA (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKAIsaoranay Ianao ry Tompo,
Fa namela anay Mpanompo
Hivory eto indray androany
Ary hiderana Anao izany
Eny, tsy mendrika izahay,
Fa be ny ratsy vitanay
O ! ry Tompo be Fitia
Mba mamelà anay mpania
Ifonanay ny helokay
Ka mba sasao re ny otanay
Omeo anay ny Fahendrena
Omeo anay ny Famonjena
Koa mangataka izahay
Ambininao ity vokatray
Izay rehetra atao anie
Ianao no handrindra sy hamehy
Tahio ity tany honenanay
Tahio ny tanindrazanay
Tahio ny ray sy reninay
Ireo namanay ireo havanay
Dia tahionao ihany koa
Ity Andro ity r’ilay Tsitoha
Izao santa-bokatray izao
Tena ankinina aminao
Ireto vahoakanao rehetra
Hanan-jara tsy voafetra
Ka izao korana androany izao
Ho tena Voninahitrao anao
Nefa,
Tsy feno izato vavakay
Raha tsy ampiarahina indray
Amin’ilay vavaka izay
Nampianarinao anay : . . .
Vavaka natao nandritra ny santam-bokatry ny fiangonana tao Antsahabe Paris
--------
Lien:
Catégorie :
Vavaka