Vinany lasalasa (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay lendalendako anao
Mbola ao hatramin’izao
Ilay tsiriritra adaladala
Mbola ao fa tsy miala
Ilay nofinofy mamimamy
Mbola ao anatiko ao ihany

Tsy hoe raha mikombona ny vavako
Sy mangina ny baradako
Ka tsy henonao matetika
Dia hoe niova ny fitetika

Fa mbola manantena ihany
Hoe angamba indray androany
Mbola hivadika ny rasa
Ka ny vinany lasalasa
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
850 0
Commentaires
Mitantsotia ( 05/04/2013 10:45)
Hummmh...
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0351