Vita koa ny fetiny (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny tovolahy, mihevitra azy ho izy,fa hoe miaramila
Nahazo fahafahana, hivoaka andro fety, ka nieboebo fila
Dia nisekoseko, miseho azy ho be vola, ka nitobatobaka
Manasanasa an’edina, mividy izao sy izao, miampy toaka bobaka

Dia nahazo namam-bao, nahazo dokadoka, fa izy no tena izy
Dia nanararaotra, naka koa izay tiany, tsy nihafa ireto ankizy
Fa vola adala tompo, araradrara-poana,toa tsy nisasarana
Ka nahafalifaly, ireo namam-betivety, lavi-pananarana

Dia nisotro ka nisotro, nigoka ts’isy fetra, toy ny vao nahita
Tsy nahalala onona, fa vao maika avo betroka, niseho mahitahita
Dia nanomboka niebo, sy nanambanimbany, ireo hafa manodidina
Tsy voafehy intsony, ny vava izay navoaka, ny ompa aza nisidina

Dia resaky ny mamo, miverina an-doika, no nifandaharana
Niampy teny ratsy, feno tevateva, an’ireo olo-tsy hay anarana
Dia niakatra ny feo, nafana koa ny fo, ka nilanila vaniny,
Nivoaka ny habibiana, ka tonga fihantsiana, ka sandry no nohenjaniny

Dia raikitra ny ady, sy fifandravana, tsy nisy ankitsitsy
Dia io ilay miaramila, lavo sy voatototra, fa tokana sy vitsy
Dia notetezin-daka, sy doboka totohondry, ary hitsakitsaka
Dia resy sady rava, tsy nahateny intsony, fa avy dia namitsaka

Dia lasa ireto olona, feno horakoraka, hoe : sakoa izay
Izany no sahaza, ireo mpieboebo, sy mpiseho milay
Dia tavela teo, ila tovolahy, miseho hoe mafibe
Fa ireo olo-nomamoiny, nahazo izay nilainy, dia lasana nandeha

Dia nikisaka nandady, namnjy sezalava, tanaty hoson-dra
Nisafosafo loha, nanompa tena anaty, fa voa ratovolahy,
Nisava ny hamamoiny, niverina ny sainy, fa vita koa ny fetiny
Tena feno ratra, sy tafy rotidrotika, no famerim-bola nentiny
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1053 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0324