DISO FANANTENANA (RASOA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nirahiko ny voromailala
Tsy nahatonga hafatra
Nivily izy tsy te ahalala
Fa vizana ka hiala sasatra
Dia taratasy no nalefa
Niandry, tsy misy valiny
Ilay nampitondraina koa nilefa
Hitako fa tsy rariny
Mbola niantso an tariby
Nefa dia hangahiahy
Tsy mahatsiaro ahy mihitsy indry
Ahafaty ahy ny tsiahy
Farany aho dia nandeha
Hikaroka sy hitady andry
Tonga tany aho vao nandre
Tsy misy intsony ny fitia

RASOA
FEBROARY 2013
--------
Lien:
285 1
Fans: rarakivy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RASOA
Inséré par : rarakivy
Date : 22/05/2025 15:06
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114