TENY MORAMORA (RASOA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hatao hoe moramora
Tsy voatery goragora
Fa entina milamina
Toy ny marary sitranina
Teny tsy mivatravatra
Hanafery sy handratra
Tsy hatao angolangola
Ho adino rehefa tola
Fa teny am- pahendrena
Asiana Kely fahalemena
Tsotra tsy misy fitaka
Samy tena mankasitraka

Tsy teniteny mila ady
Tsy ho telina, tsy ho tanty
Fa hevitra voalanjalanja
Tsy hogahogan' ny kianja
Nefa lazaina tsy misorina
Tsy misy zava-noforonina
Natao hifanantonana
Lavitrin' ny fiavonana
Mety koa averimberina
Satria tsy misy takona afenina
Na hoe fitaka ambadika
Hambabona, ahasarika
Fa resaka imasomaso
Tsy hitera-dranomaso
Tena hatao am-pitiavana
Ahatsapana hoe havana


RASOA
FEBROARY 2013
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
255 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RASOA
Inséré par : rarakivy
Date : 17/04/2025 20:50
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012