TOHIZO NY MITIA (RASOA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sanatria izaho
No hialoha lalanà
Tena iriko ianao
Mbola misy handray ny tananà
Tena tia tena aho
Raha lasana mialoha
Ka hametra ny fonao
Tsy hisokatra hivoha

Ny mijanona irery
Hataovy mihitsy fady
Ny ankizy mijerijery
F efa mañana ny azy
Aza mitokatoka -monina
Mikolokolo fahoriana
Fa mahaiza mihonona
Mizara fifaliana

Ianareo ankizy afarana
Hanamboatra ny fisainany
Raiso ho fahasambarana
Ny fanohizany ny fiainany
Aza avela hitoreo
Hitanondrika sy hahonena
Aza adino mba jereo
Aza avela ho tokan- tena

Tena tsara ny fiarahana
Nefa tapitra eo aloha
Mitadiava indray namana
Hatrakao re ny loha
Aza manary dia
@ zaridaina sy ny alika
Mandehana indray mitia
Toy ny nataontsika

Ny antsika nahafinaritra
Nefa misy fiafarany
Mandehana aza miaritra
Misy miandry any ho any

RASOA
JANOARY 2013
--------
Lien:
339 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RASOA
Inséré par : rarakivy
Date : 17/04/2025 19:34
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.011