Ampidiro aloha ny tenimiafina
TSY MISY FETRA (RASOA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianareo no tiakoNa Hendry na maditra
Na tafita na fatritra
Na dondrona na mahay
Ianareo no ahy
Ianareo no tsy foiko
Na lavitra na akaiky
Na mandà na manaiky
Na manadino na mahatsiaro
Ianareo tsy atakalo
Ianareo no ezahiko
Na marary aho na Salama
Na mangatsiaka na mafana
Na andavan'andro na alahady
Ho anareo aho dia mitady
Ianareo no fifaliako
Na malahelo aho na mirana
Na mahaomby na mitsimbilana
Na anaty tsiky na lonilony
Ianareo no mahatony
Ianareo no reharehako
Na tafavoaka na koa hoe rendrika
Na tsara toetra na tsy mendrika
Na tokantena na ho roa
Ianareo nahitako soa
Ianareo no fiainako
Rivotra iainako
Afo itsilovako
Rano ivelomako
Tany hipoirana
RASOA
FEBROARY 2013
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
rarakivy
