IO NO MADAGASIKARA ! (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Ambarao hoe, rankizy, ilay Nosindrazantsika
-Io ‘lay tany atsinanan’ny lakan-drano Masombika
He jereo ange ‘ty izy miadana sy mihaminkamina
Toa salopy atopatopan-dranomasimbe Indiana

Io no Madagasikara, nosin-drazana malala !
Io no Madagasikara, iaraha-mahalala,
Io no Madagasikara, tanindrazantsika Gasy
Io no Madagasikara, vita sady an-taratasy
Io no Madagasikara, miendri-tongotra havia
Io no Madagasikara, sarotra afoy satria :
Io no Madagasikara, nahakely, nahazaza
Io no Madagasikara, tsy dia tany be malaza
Io no Madagasikara, tena tiako sy lalaiko
Io no Madagasikara, ao ny reny sy ny raiko
Io no Madagasikara, ao ny zoky sy ny zandry
Io no Madagasikara, ao ny adidiko no miandry
Io no Madagasikara, misy fasana mitoko
Io no Madagasikara, ao milevina ao ny foko
Io no Madagasikara, voasokitra ato anaty
Io no Madagasikara, hilevenan-draha maty
Io no Madagasikara, nosy mamy toa tantely
Io no Madagasikara, tsy hohadinoina velively
Io no Madagasikara, anjakan’ny fihavanana
Io no Madagasikara, ‘zay mihamitombo vahana
Io no Madagasikara, tena nosy diavolana
Io no Madagasikara, tany mendrika harovana
Io no Madagasikara, voahodidin-dranomasina
Io no Madagasikara, tsy azon’olona tavasina
Io no Madagasikara, Nosy maro fahavalo
Io no Madagasikara, tsy miraika, tsy mimalo
Io no Madagasikara, nosomparana hikoro
Io no Madagasikara, nefa mbola tafajoro
Io no Madagasikara, tiana sady mamy re
Io no Madagasikara, misy foko maro be
Io no Madagasikara, antsoina hoe “’Lay Nosy Mena”
Io no Madagasikara, tiavina tsy anerena.

Ny RAHONA RATSIMBA Georges
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1976 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011