KINDRIANDRIANA (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“Avia hilalao,
“Lalao mahavariana,
“Izaho sy ianao,
“Hanao kindriandriana !”

Tsy sary vorodamba
Lava volon-doha,
Fa tavoahangy angamba
Itony tamaboha !

Ny lokony ihany
No lamba samihafa;
Ka izy roa hatrany
No vavany mitafa !

Ny lava : Lehilahy;
Ny boribory moa
Miantso hoe : Rangahy,
Ka dia ramatoa !

Henoy sy tazano :
Indreo miady hevitra !
Soritany ny trano,
Ataony maro efitra !

Itony varimbitsika
No ataony fipetrahana,
Ary bitsibitsika
No fomba firesahana !

‘Lay tamaboha lava
I Dadabary, hono
No re misoka-bava :
“Tereo ny ronono.”

Indry Rafotsibe
(Rafotsy tamaboha)
Nitondra siny hoe
Nataony an-doloha.

Nandeha ho any an-tsaha
Hitery ny ronono !
Fa any i Bema angaha !
No miandry omby, hono !

Indry manangasanga,
Manaraka ny morona
‘Lay omby taola-manga
Nasiana fantsi-korona !

…Dia lasa nody izy,
Nivikiviky fatratra
Hamonjy ny ankizy
Nirava avy nianatra.

I Dadabary kosa
Nihady mangahazo
Nangoniny miavosa
Ny taho tsy halazo.

Dia tonga ny ankizy,
Ankizy marobe,
Nihoraka izay tsy izy
Fa tsara Dadabe.

Dia toy izany hatrany
Ity kindriandriana…
Fahiny mantsy izany !...
Toa nofy aty aoriana !

Ny tamabohan-drazana
Mamy ery fahiny
Nankaiza no tsy tazana ?
Sa resin’ny am-bahiny ?

Asa ! Ratsy angaha
Ity kindriandriana,
Fa tsy vazahazaha
Ka sahinao nariana !

Ny RAHONA RATSIMBA Georges
13 martsa 1965
--------
Rohy:
1828 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101