FIAINANA LOHOVAVA (RHHC)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIAINANA LOHOVAVA (“ALBATROSS”)

Miala sasatra aho no mandinika natiora:
Indreo vorona mihosotra fotak’honahona,
Mi-ankisitrika toa tselatra ireo mihaza trondro,
Misy ny miandry an-tora-pasika, misy ny eny an-tsisin-tsambo.
Lohovava ireo!
Tsy mikopakopak’elatra fa misidina eny fotsiny,
Tsisy ahiahy fa ny rivotra no tosiny.
Miakatra, mihodina, maka bahana kely,
Dia midina ambany, mamerina ny hery.
Avy eo miakatra indray, fotoana maromaro,
Kilometatra aman’alina no vita ambony rano.
Ny mpitarika an’ireo dia vorondrano iray monja,
Ny tendron’elany no asàfony raha sendra ilay manonja,
Dia miara-mihodina avy ‘aoriana ny mpanara-dia,
Atsimbadiny ny elany, fa mirindra io, sora-dihy.

RHHC
--------
Lien:
Catégorie : Natiora - Fiainana - Fiainana - Aingam-panahy
102 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153