HANDRAY FIOVANA (RHHC)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HANDRAY FIOVANA

Aza matahotra, aza manahy,
Ao anaty ao ‘lay Herim-panahy,
Iaino am-pitiavana ‘reo ‘zay tandrify,
Izay mahatoky Azy, tsy ho very mihitsy.

Raha misy tsy nety, ahitsy avy hatrany,
Tsy misy tonga lafatra isika eto an-tany.
Fa fahadiovam-po no tena takiana,
Mitondra fiadanana sy fitoniana.

Eny, ny Herin-tsaina, mety ho avo, mety ho iva,
Fa aoka hivonona mandrakariva:
Ilay Fanilo ao anaty no fanantenana,
Koa sikino ny Herim-po raha handray fiovana.

RHHC
--------
Lien:
178 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145