Mihanoka hafaliana (RHHC)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy ny mirenireny eny an-dalan’ny fiainana
Tsisy tanjona izy ireny fa ny hodinkodina, itarainany.
Vahobahotry ny tahotra ary feno fanahiana,
Tsy hay hoe taiza…ka ho aiza…, tsy hay hoe inona no tiany.
Tsy maharaka
fa valaka,
Tsy fantany akory
‘zay hanalany sorisory.

Misy ihany koa anefa
Ireo vonona hanefa
Nofy “handresy”,… izay no hirainy,
Ny ho tsara hatrany no ao an-tsainy.
Ka na mikija, na mingaina,
Misandratra andro, tsy taraina.
Dia indro tojo faniriana,
Ka mihanoka hafaliana.

RHHC
--------
Lien:
137 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145