Vavaka fanolorana namana (RHHC)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA FANOLORANA NAMANA

Indro ilay namana sendra ny masoko,
Fantatrao izy sy ny toetra ato anatiko,
Eo koa ny ho sandan’ny fifaneraseranay
Sy ny fifankahazona rahatrizay.

Omeo fo aho hahay hitia sy hizara,
Handray sy hiara-paly, hihaino, hanambara,
Hanao ny sitrakao amin-toerana rehetra,
Ny voninahitrao anie hiseho tsy hisy fetra.

Fisaorana no atolotro amin’ny foko mantolo
Noho ireo fahasoavana azoko efa voakolo.
Eo Ianao, Tompo, afaka hanitsy tsara
Raha misy tsy mety ireo voakarakara.

Tolory saina hendry sy mahay mihaino Anao
Ireto mpinamana izay mino Anao,
Tahio mba ho mendrika ilay fitiavam-bao:
Hiray aina tokoa ka tsy hifandao.

RHHC
--------
Lien:
182 1
Fans: Irirak
Commentaires
Irirak ( 17/01/2024 16:43)
Tena kanto tokoa
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149