NOMENAO (RIJADOLLY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOMENAO

Nomenao fanenjehana
Ao anatin'ny faharetana
Ny fanahy manjehana
NatsoiNao ho maivan'entana

NomeNao fitiavana
Ao anatin'ny fahavalo
NomeNao fihavanana
Ny fo maloto atakalo

NomeNao fanopoana
Ireo mpiara-belona
Hiasa tsy voatohina
Ny Fanahy tena velona

NomeNao alahelo
Ao anatin'ny herin-tsaina
Ho resena izy teo
Hampitraka ny malaina

NomeNao fahantrana
Ao anatin'ny fihononana
Tsy fisiana tsy misy farany
Tsy nomenao fialonana

NomeNao hery
Ao anatin'ny fandeferana
Hatanjahana mihely
Fanampiana tsy azo ferana

NomeNao fiadanam-po
Ao anatin'ny fitsapana
Haravoana tokoa
Tsy handika ny lalàna

Omeko fiderana
Izany rehetra izany
Fitaovana fizarana
Ny oloNao an-tany

Dolly
--------
Rohy:
1945 1
Mpakafy: rijadolly
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RIJADOLLY
Nampiditra : rijadolly
Daty : 01/05/2008 19:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151