....Voafidy ho ahy (Rina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ilay notsongaiko
tao anatin'ny an'alinaliny
ianao ilay nirifako
andro aman'alina
tsy tsapanao ve
fa ianao irery ihany
no tiko eto an-tany
tsy misy faharoa na fahatelo koa
fa tokana ihany
dia ianao izany

Tsy misy anarana hafa tsy ny anaranao
ao am-bavako ao
tsy misy endrika voarakitra ao an-tsaiko
hafa tsy ny endrikao
ianao ilay voafidy fa anjara ho ahy
ho hajaiko sy koloiko
mba tsy hanan'ahiahy

Matokia re ry aiko
fa mandra-paha tapitry ny fofon'aiko
dia hijanona ho anao
ho anao irery ihany
ka mba iriko koa ianao,ho toy izany
tsy hitia hafa tsy izaho ihany

(18-02-2011)
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1359 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138